1 Peter 3:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia tahaka an’i Saraha izay nanaiky an’i Abrahama ka nilaza azy hoe tompoko. Koa ianareo no tonga zanany amin’ny fanaovana ny soa ka tsy hanahy na inona na inona fampitahorana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy nanao azy ho tompony; ary zanany ianareo, raha manao soa tsy aman-tahotra na inona na inona fampitahorana anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy niantso azy hoe «tompoko ». Zanak’i Sarà ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
Malagasy Bible 1865
dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia tahaka an’i Saraha izay nanaiky an’i Abrahama ka nilaza azy hoe tompoko. Koa ianareo no tonga zanany amin’ny fanaovana ny soa ka tsy hanahy na inona na inona fampitahorana.
malagasy
dia tahaka an'i Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.