1 Peter 3:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany koa ianareo lehilahy, tandrovy tsara ny fiarahanareo amin’ny vavy, amin’ny fanajana azy araka ny maha fanaka malemy kokoa azy, sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana aminareo izy, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena, toy ny fanao amin’ny fanaka malemy; ento amim-panajana izy, fa mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana ianareo, mba tsy hisy hanampontsampona ny fivavahanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany koa, ianareo lehilahy, mahaiza miara-mitoetra amin’ny vadinareo izay malemy paika kokoa noho ianareo araka ny efa fantatrareo; manehoa fanajana azy fa mpiombona anjara amin’ilay fiainana nomen’Andriamanitra ianareo mivady. Izany atao, mba tsy hisy zavatra hanampontsampona ny fivavahanareo.
Malagasy Bible 1865
Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany koa ianareo lehilahy, tandrovy tsara ny fiarahanareo amin’ny vavy, amin’ny fanajana azy araka ny maha fanaka malemy kokoa azy, sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana aminareo izy, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
malagasy