1 Peter 4:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy dia raiso mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa nitsahatra tamin’ny ota
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa noho i Kristy efa nijaly tamin’ny nofo ho antsika àry, dia raiso hofidina izao hevitra izao: izay nijaly tamin’ny nofo dia nitsahatra tamin’ny ota.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho i Kristy efa nijaly tao amin’ny nofo, dia raiso ho fiadianareo koa ny toe-tsaina nananany; satria izay olona nijaly tao amin’ny nofo dia nampitsaharina tamin’ny ota,
Malagasy Bible 1865
Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy* dia raiso mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa nitsahatra tamin’ny ota
malagasy
Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota; [ Gr.nampitsaharina]