1 Peter 4:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy olona miteny dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra; raha misy olona manompo dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay miteny aoka ho toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban’Andriamanitra fitahiana, mba hankalaza an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izay Tompon’ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay. Amen.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izay mitoriteny, aoka ho toy ny milaza ireo hafatr’Andriamanitra; izay manompo, aoka ho araka ny hery ampombain’Andriamanitra azy; ka dia amin’ny zavatra rehetra no hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, fa an’Andriamanitra ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen.
Malagasy Bible 1865
Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy olona miteny dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra; raha misy olona manompo dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy*; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena*.
malagasy