1 Peter 4:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo, toy ny hoe misy zava-mahagaga manjo anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry malala, aza gaga amin’izany toa afo nirehitra tao aminareo ka nanjò anareo ho fitsapan-toetra, na mihevitra izany ho zavatra tsy fahita;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry hava-malala, aza gaga amin’ny fanenjehana mivaivay miseho teo aminareo sady mihatra aminareo mba ho fizahan-toetra, ka hihevitra izany ho zava-tsy fahita midona aminareo.
Malagasy Bible 1865
Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo, toy ny hoe misy zava-mahagaga manjo anareo.
malagasy
[Fananarana mba hiaritra, raha enjehina noho ny fahamarinana] Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,