1 Peter 4:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa mainka mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy mba hifalianareo sy hiravoravoanareo koa amin’ny fisehoan’ny voninahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa, amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Malagasy Bible 1865
fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa mainka mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy* mba hifalianareo sy hiravoravoanareo koa amin’ny fisehoan’ny voninahiny.
malagasy
fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.