1 Peter 5:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman’ny loholona ary vavolombelon’ny fijalian’i Kristy sady mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho, dia izaho izay Pretra toa azy koa, sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy, ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mananatra ny loholom -piangonana eo aminareo aho, dia izaho loholona tahaka azy ireo sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary koa mpiombona amin’ny voninahitra efa haseho.
Malagasy Bible 1865
Koa ny amin'ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman’ny loholona ary vavolombelon’ny fijalian’i Kristy sady mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:
malagasy
[Fananarana ny loholona mba ho malemy fanahy sy ho mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra mba hanetry tena sy hitandrina. Vavaka farany sy fanaovam-beloma] Koa ny amin'ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: [ Gr. presbytera]