1 Peter 5:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay andraikitrareo; andraso izy, tsy amin’ny fanerena fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra, tsy amin’ny fitiavana harena maloto fa amin’ny zotom-panahy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ianareo ho mpiandry ny andianondry napetrak’Andriamanitra hiandraiketanareo, ka hitandrina azy tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra: tsy amim-pitiavan-karena fa amin-jotom-po,
Malagasy Bible 1865
Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay andraikitrareo; andraso izy, tsy amin’ny fanerena fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra, tsy amin’ny fitiavana harena maloto fa amin’ny zotom-panahy,
malagasy
Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy; [ Na: izay andraikitrareo]