1 Peter 5:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany koa ianareo tanora, maneke ny loholona. Eny, samia mitafy fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa «Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»
Malagasy Bible 1865
Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany koa ianareo tanora, maneke ny loholona. Eny, samia mitafy fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa «Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
malagasy
Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). [ Gr. presbytera]