1 Peter 5:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Finoana mafy orina entina manohitra azy, satria fantatrareo fa fijaliana toraka izany koa no iaretan’ny havanareo mpino eran’ izao tontolo izao.
Malagasy Bible 1865
tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao.
malagasy
tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.