1 Samuel 1:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa satria niteny anakampo i Hana ka ny molony ihany no nihetsiketsika fa tsy re akory ny feony dia noheverin’i Ely fa mamo izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa niteny anakampo i Anà, ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory. Noheverin’i Helì fa mamo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nivavaka am-po izy, ka ny molony ihany no hita mihetsiketsika, fa tsy re akory izay feony. I Helỳ kosa efa nihevitra azy ho mamo,
Malagasy Bible 1865
Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon'i Ely fa mamo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa satria niteny anakampo i Hana ka ny molony ihany no nihetsiketsika fa tsy re akory ny feony dia noheverin’i Ely fa mamo izy.
malagasy
Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon'i Ely fa mamo izy.