1 Samuel 1:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly i Hana hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory; mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’NY TOMPO aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Anà: «Tsia, tompoko, fa vehivavy ory ao am-po aho, tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho; fa namboraka ny ato am-poko eto anatrehan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’i Hanà hoe: –Tsia, tompoko, tsy mamo aho. Malahelo fotsiny aho fa tsy nisotro divay na zava-pisotro mahamamo hafa akory. Mamboraka ny ato am-poko eto anatrehan’ny TOMPO aho.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly i Hana hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory; mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’NY TOMPO aho.
malagasy
Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah aho.