1 Samuel 1:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nifoha vao maraina izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’NY TOMPO, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama. Ary nahalala an’i Hana vadiny i Elkana ary NY TOMPO nahatsiaro azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nifoha maraina koa izy ireo, ka nony avy niankohoka teo anatrehan’i Iaveh, dia nody izy, ka niverina tany an-tranony any Ramà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampitso vao maraina, rehefa avy nivavaka tamin’ny TOMPO i Elkanà sy ny fianakaviany, dia nody tany Ramà. Ary i Elkanà niray tamin’i Hanà vadiny, ary nohenoin’ny TOMPO ny vavaka nataon-dravehivavy.
Malagasy Bible 1865
Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nifoha vao maraina izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’NY TOMPO, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama. Ary nahalala an’i Hana vadiny i Elkana ary NY TOMPO nahatsiaro azy.
malagasy
Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.