1 Samuel 1:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanana anaka i Hana tamin’ny faran’ny taona ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, satria hoy izy: Tamin’NY TOMPO no nangatahako azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Elkanà nahalala an’i Anà vadiny, ary i Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’i Iaveh, hoy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia bevohòka i Hanà, ka tera-dahy, sady loa-bava hoe: –Ny anarany dia hataoko hoe Samoela, satria nangatahiko tamin’ny TOMPO izy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanana anaka i Hana tamin’ny faran’ny taona ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, satria hoy izy: Tamin’NY TOMPO no nangatahako azy.
malagasy
Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin'Andriamanitra (?)]