1 Samuel 1:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mijanòna ihany mandra-pampisarahanao nono azy; hotanterahin’NY TOMPO anie ny teniny. Dia nijanona Ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-pampisarany nono azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Elkanà vadiny taminy: «Ataovy izay heverinao ho mety; mijanòna atỳ aloha, mandra-panotinao azy, ary hoefain’i Iaveh anie ny teniny.» Dia nijanona ravehivavy, ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary namaly azy i Elkanà hoe: «Tsara izany, ataovy izay fantatrao fa mety; mijanòna ihany àry atỳ mandra-pisara-nono ny zaza. Hotanterahin’ny TOMPO anie ny fampanantenainy!» Dia nijanona tao Ramà nampinono ny zanany i Hanà mandra-pisara-nono azy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.