1 Samuel 1:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony efa nisara-nono ny zaza dia noentiny niakatra niaraka taminy ary nitondra vantotra ombilahy telo sy koba eran’ny efaha ary divay iray siny hoditra koa izy, koa noentiny ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO tao Silo ireo; mbola kely ny zaza tamin’izay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa notazany ny zaza, dia nentiny niakatra niaraka taminy, sady naka vantotr’ombilahy telo, sy lafarina iray efah, ary divay eran’ny siny hoditra izy, dia nentiny nankao an-tranon’i Iaveh tao Silao izy. Mbola tanora kely ny zaza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa nisara-nono ny zaza, dia nentiny nankany an- tranon’ny TOMPO tao Silao, na dia mbola vao mena vava aza. Ireto no nentin’izy mivady niaraka tamin’ny zaza: vantotr’ombilahy telo taona sy lafarinina iray gony ary divay eran’ny siny hoditra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony efa nisara-nono ny zaza dia noentiny niakatra niaraka taminy ary nitondra vantotra ombilahy telo sy koba eran’ny efaha* ary divay iray siny hoditra koa izy, koa noentiny ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO tao Silo ireo; mbola kely ny zaza tamin’izay.
malagasy
Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.[Na: (izay efa telo taona)][Na: siny hoditra]