1 Samuel 1:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Hana: Tompoko ô! Raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Anà: Aza mahafady, tompoko. Raha velona koa ny aiko, tompoko, dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Hanà tamin’i Helỳ: –Azafady tompoko, tsaroanao ve ilay vehivavy nitsangana teto indray andro tsy lavitra anao akory, ary nivavaka tamin’ny TOMPO? Raha marina fa velona koa ny ainao, dia izaho izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Hana: Tompoko ô! Raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin’NY TOMPO.
malagasy
Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah.