1 Samuel 1:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niakatra isan-taona niala tao amin’ny tanànany Ralehilahy mba hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’i Ely, dia i Hofinia sy i Finehasa, mpisoron’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niakatra avy any an-tanàna isan-taona ralehilahy io, hivavaka amin’i Iavehn’ny tafika sy hanatitra sorona aminy, any Silao. Ary tao ny zanak’i Helì, roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, mpisoron’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isan-taona i Elkanà dia nandao an’i Ramà tanànany mba hivavaka sy hanao sorona amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tany Silao; mpisoron’ny TOMPO tao koa i Hôfnỳ sy i Pinehasa zanakalahin’i Helỳ.
Malagasy Bible 1865
Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niakatra isan-taona niala tao amin’ny tanànany Ralehilahy mba hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’i Ely, dia i Hofinia sy i Finehasa, mpisoron’NY TOMPO.
malagasy