1 Samuel 1:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany no fanaon’i Elkana isan-taona, rehefa niakatra ho any amin’ny tranon’NY TOMPO i Hana, ary toy izany koa no nanorisorenan’ny rafiny an’i Hana; koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona isaky ny iakaran’i Anà any an-tranon’i Iaveh; fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy. Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary isan-taona dia izany foana no zava-mitranga rehefa mba tonga ao an-tranon’ny TOMPO i Hanà; nanao izay hampalahelo azy foana i Peninà, ka nitomany sy tsy nety nihinan-kanina izy.
Malagasy Bible 1865
Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany no fanaon’i Elkana isan-taona, rehefa niakatra ho any amin’ny tranon’NY TOMPO i Hana, ary toy izany koa no nanorisorenan’ny rafiny an’i Hana; koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
malagasy
Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.