1 Samuel 1:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana i Hana rehefa avy nihinana sy nisotro tao Silo izy ireo. Ary nipetraka tamin’ny sezany teo anilan’ny tolanam-baravaran’ny tempolin’NY TOMPO i Ely mpisorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony avy nihinana sy nisotro ny olona, tany Silao, dia nitsangana i Anà. I Helì mpisorona izany, nipetraka teo amin’ny fipetrahana anankiray, teo anoloan’ny anankiray amin’ny tsato-kazon’ny tempolin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro, tao Silao, rehefa tapi-nisakafo ny olona, dia nitsangana i Hanà fa i Helỳ mpisorona kosa nipetraka teo an-tokonam-baravaran’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana i Hana rehefa avy nihinana sy nisotro tao Silo izy ireo. Ary nipetraka tamin’ny sezany teo anilan’ny tolanam-baravaran’ny tempolin’NY TOMPO i Ely mpisorona.
malagasy
Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah.