1 Samuel 10:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandray tavoara feno diloilo i Samoela ka nanidina izany teo an-dohan’i Saoly sady nanoroka azy ary niteny hoe: Tsy nanosotra anao mba ho mpanapaka ny lovany va NY TOMPO?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalain’i Samoela ny tavoara nisy diloilo, naidiny tamin’ny lohan’i Saola, dia norohany izy, sady nataony hoe: «Moa tsy nohosoran’i Iaveh ho mpanapaka amin’ny lovany va ianao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandray tavoahangy kely feno diloilo i Samoela ka nandraraka izany teo an-dohan’i Saoly. Ary nanoroka an’i Saoly izy sady nanao hoe: –Ny TOMPO mihitsy no nanokana anao ho filohan’ilay vahoakany.
Malagasy Bible 1865
Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandray tavoara feno diloilo i Samoela ka nanidina izany teo an-dohan’i Saoly sady nanoroka azy ary niteny hoe: Tsy nanosotra anao mba ho mpanapaka ny lovany va NY TOMPO?
malagasy
Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?