1 Samuel 10:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Saoly tamin’ny rahalahin-drainy: Nambarany taminay tokoa fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain’i Samoela ny amin’ny fanjakana dia tsy mba nambarany taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Saola tamin’ity rahalahin-drainy: «Nambarany taminay fa efa hita ny ampondra.» Fa tsy nolazainy taminy ny momba ny fanjakana nambaran’i Samoela azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Saoly taminy: –Nambarany taminay fotsiny fa efa hita indray ireo borikivavy.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Saoly tamin'ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain'i Samoela ny amin'ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Saoly tamin’ny rahalahin-drainy: Nambarany taminay tokoa fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain’i Samoela ny amin’ny fanjakana dia tsy mba nambarany taminy.
malagasy
Dia hoy Saoly tamin'ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain'i Samoela ny amin'ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.