1 Samuel 10:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa ianareo kosa androany dia nandà an’Andriamanitrareo izay mamonjy anareo amin’ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra, satria hoy ianareo Taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijoroa eo anatrehan’NY TOMPO araka ny fokonareo sy ny fianakavianareo avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianareo kosa izao manary ny Andriamanitrareo, izay nanafaka anareo tamin’ny loza amam-pijalianareo rehetra, ary milaza aminy hoe: Manangàna mpanjaka aminay! Koa ankehitriny misehoa ianareo isam-poko sy isam-pianakaviana, eo anatrehan’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ankehitriny kosa ianareo dia efa nandà ny Andriamanitrareo Izay namonjy anareo tamin’ny andro mahory sy fijaliana rehetra, ka hoy ianareo taminy: «Omeo mpanjaka izahay!» Noho izany, dia mankanesa ianareo eo anatrehan’ny TOMPO araka ny fokonareo sy fianakavianareo avy.
Malagasy Bible 1865
Nefa ianareo kosa efa nandà an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa ianareo kosa androany dia nandà an’Andriamanitrareo izay mamonjy anareo amin’ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra, satria hoy ianareo Taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijoroa eo anatrehan’NY TOMPO araka ny fokonareo sy ny fianakavianareo avy.
malagasy