1 Samuel 10:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa misaraka amiko ianao anio dia hahita olona roa lahy eo anilan’ny fasan’i Rahely, ao amin’ny faritry ny tanin’ny Benjamina, ao Zelza, ary hilaza aminao izy ireo hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ny rainao fa ianareo kosa indray no mampanahy azy ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ny zanako?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa tafasaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy, eo akaikin’ny fasan-dRasela amin’ny faritanin’i Benjamina, any Selsaky, hilaza aminao hoe: Ny ampondra notadiavinao efa hita ka tsy heverin-drainao intsony ny momba ny ampondravavy fa ny aminareo indray no ahiny sy ataony hoe: Inona no tsy maintsy hataoko ny amin’ity zanako ity?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anio, rehefa tafasaraka isika, dia hihaona amin’ny lehilahy anankiroa ianao, eo akaikin’ny fasan’i Rahely ao Tselitsà amin’ny faritanin’i Benjamîna; ary izy ireo hiteny aminao hoe: «Efa hita ireo borikivavy izay notadiavinao; ary ankehitriny dia tsy ny borikiny intsony no mampanahy ny rainao, fa ianareo indray. Koa dia nanontany ny amin’izay tokony hataony hahitany an-janany izy.»
Malagasy Bible 1865
Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan'ny fasan-dRahely, ao amin'ny fari-tanin'ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin'ny zanako?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa misaraka amiko ianao anio dia hahita olona roa lahy eo anilan’ny fasan’i Rahely, ao amin’ny faritry ny tanin’ny Benjamina, ao Zelza, ary hilaza aminao izy ireo hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ny rainao fa ianareo kosa indray no mampanahy azy ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ny zanako?
malagasy