1 Samuel 10:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampanatona ny fokon’i Benjamina araka ny antokony avy izy ka ny antokon’i Matrita no voatendry. Dia voatendry i Saoly, zanak’i Kisy; kanefa rehefa nitady azy ny olona dia tsy nahita azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampanatoniny isam-pianakaviana indray ny fokon’i Benjamina, ka ny fianakavian’i Metry no voafidy, ary i Saola zanak’i Kisy no voatendry. Dia notadiavina izy nefa tsy hita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampanatoniny isam-pianakaviana ny fokon’i Benjamîna, ka ny fianakavian’i Matrỳ no voatendrin’ny antsapaka. Ary farany, tamin’io fianakaviana io dia i Saoly zanakalahin’i Kisy no voatendrin’ny antsapaka. Rehefa izany, dia nitady azy ny olona nefa tsy nahita azy mihitsy.
Malagasy Bible 1865
Dia nampanatona ny firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampanatona ny fokon’i Benjamina araka ny antokony avy izy ka ny antokon’i Matrita no voatendry. Dia voatendry i Saoly, zanak’i Kisy; kanefa rehefa nitady azy ny olona dia tsy nahita azy.
malagasy
Dia nampanatona ny firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy.