1 Samuel 10:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nilaza tamin’ny olona izay satan’ny fanjakana i Samoela, dia nosoratany tamin’ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan’NY TOMPO. Ary samy nalefan’i Samoela hody any an-tranony avy ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay nasehon’i Samoela ny vahoaka ny fahefana hampiasain’ny fanjakana, sady nosoratany tamin’ny boky, izay napetrany teo anatrehan’i Iaveh. Izay vao nampodiny ny vahoaka, samy ho any an-tranony avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nohazavain’i Samoela tamin’ny vahoaka ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka, ary nosoratany tamina boky izany ka napetrany teo anatrehan’ny TOMPO tao amin’ny Toeramasina. Farany dia nasain’i Samoela nody any an-tranony avy ny vahoaka rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary Samoela nilaza tamin'ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin'ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin'i Samoela ho any an-tranony avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nilaza tamin’ny olona izay satan’ny fanjakana i Samoela, dia nosoratany tamin’ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan’NY TOMPO. Ary samy nalefan’i Samoela hody any an-tranony avy ny vahoaka rehetra.
malagasy