1 Samuel 10:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia mba nandeha nody tany Gibea koa i Saoly, ary nomba azy ny olona maro izay nokasihin’Andriamanitra ny fony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Saola koa nandeha nody ho any an-tranony, any Gabaà, notronin’olona mahery fo, izay nohetsehin’i Iaveh ny fony. Fa ny olon’i Beliala kosa dia nanao hoe: «Dia iny ve no hamonjy antsika?» sady naneso azy izy no nitondra fanatitra ho azy, nefa tsy nasian’i Saola raharaha akory izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Saoly koa mba nody tany aminy any Gibehà, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy izay nentanin’Andriamanitra ho mpomba azy.
Malagasy Bible 1865
Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny tànan'Andriamanitra ny fony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia mba nandeha nody tany Gibea koa i Saoly, ary nomba azy ny olona maro izay nokasihin’Andriamanitra ny fony.
malagasy
Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny tànan'Andriamanitra ny fony.Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.