1 Samuel 10:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Handroso hiala avy eo ianao ka ho tonga eo amin’ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin’ny olona telo lahy miakatra ho any amin’Andriamanitra any Betela, ny iray dia mitondra zanak’osy telo, ny iray dia mitondra mofo telo ary ny iray dia mitondra divay eran’ny siny hoditra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy eo ianao, dia hanohy ny dianao, ary ho tonga eo amin’ny aokan’i Tabôra, ka hotsenain’olona telo lahy miakatra ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny iray mitondra zanak’osy telo, ny iray mitondra mofo telo, ny iray mitondra divay iray siny hoditra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanohy ny lalanao ianao ka ho tonga eo akaikin’ny hazo ôakan’i Tabôra, ary hahita lehilahy telo ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny voalohany mitondra zanak’osy telo, ny faharoa mofo telo ary ny fahatelo siny hoditra feno divay.
Malagasy Bible 1865
Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Handroso hiala avy eo ianao ka ho tonga eo amin’ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin’ny olona telo lahy miakatra ho any amin’Andriamanitra any Betela, ny iray dia mitondra zanak’osy telo, ny iray dia mitondra mofo telo ary ny iray dia mitondra divay eran’ny siny hoditra;
malagasy
Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara; [Na: siny hoditra]