1 Samuel 10:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aorianan’izay dia ho tonga any Gibean’Andriamanitra izay misy tobin’ny miaramilan’ny Filistina ianao; rehefa tonga ao an-tanàna ianao dia hifanena amin’ny mpaminany maro iray dia, midina avy ao amin’ny toerana fanaovana sorona, mitondra lokanga sy ampongatapaka ary sodina sy valiha eo alohany, dia haminany ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaraka izany ho tonga ao Gabaàn’Andriamanitra ianao, izay misy miaramila Filistinina mpiambina. Rehefa miditra ao an-tanàna, hifanena amin’ny mpaminany maro, andiany iray, midina avy any amin’ny fitoerana avo, ialohan’ny lokanga, ampongatapaka, sodina, valiha, sady maminany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa izany dia ho tonga ao Gibehà-Elôhima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin’ny Toeramasina, ka ialohavan’ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aorianan’izay dia ho tonga any Gibean’Andriamanitra izay misy tobin’ny miaramilan’ny Filistina ianao; rehefa tonga ao an-tanàna ianao dia hifanena amin’ny mpaminany maro iray dia, midina avy ao amin’ny toerana fanaovana sorona, mitondra lokanga sy ampongatapaka ary sodina sy valiha eo alohany, dia haminany ireo.
malagasy