1 Samuel 10:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hidina eo alohako ho any Gilgala ianao, ary indro, hidina ho any aminao aho mba hanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana. Koa hafitoana no hiandrasanao mandra-pahatongako eo aminao, dia holazaiko anao izay hataonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary midìna alohako any Galgalà, ary indro fa hidina aho hanatona anao, mba hanatitra sorona dorana sy fanati-panorenana. Dia miandrasa hafitoana mandra-pahatongako any aminao, dia holazaiko aminao izay tokony hataonao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy maintsy midina mialoha ahy any Gilgàla anefa ianao, ka ho tratrako tsy ho ela, any ny hanatrarako mba hanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana. Fito andro no hiandrasanao ahy ao; ka rehefa tonga aho, dia hambarako anao izay tokony hataonao.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hidina eo alohako ho any Gilgala ianao, ary indro, hidina ho any aminao aho mba hanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana. Koa hafitoana no hiandrasanao mandra-pahatongako eo aminao, dia holazaiko anao izay hataonao.
malagasy