1 Samuel 11:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niakatra i Nahasy amonita ka nitoby tandrifin’i Jabesy-Gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin’i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Naasy Amônita niakatra dia nitoby teo anoloan’i Jabesy any Galaada. Ka hoy ny mponina rehetra tany Jabesy tamin’i Naasy: «Manaova fanekem-pihavanana aminay dia hanompo anao izahay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga nanafika ny tanànan’i Jabesy any Gilehada i Nahasy mpanjakan’ny Hamônita ka nanao fahirano azy. Dia hoy ny mponin’i Jabesy taminy: –Manaova fanekena aminay, fa vonon-kanompo anao izahay.
Malagasy Bible 1865
Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin'i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin'i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niakatra i Nahasy amonita ka nitoby tandrifin’i Jabesy-Gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin’i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
malagasy
[Ny nandresen'i Saoly ny Amonita, sy ny nanavaozana ny fanjakana] Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin'i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin'i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.