1 Samuel 11:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny vahoaka tamin’i Samoela: Iza moa no niteny hoe: I Saoly va no hanjaka aminay? Atolory anay ireny olona ireny hovonoinay ho faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny vahoaka tamin’i Samoela: «Zovy moa no nilaza hoe: Dia i Saola ve no hanjaka aminay? Atolory anay izany olona izany fa hataonay maty.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny vahoaka israelita tamin’i Samoela: –Aiza moa ireo olona nilaza fa tsy tokony hanjaka aminay i Saoly? Atolory anay ireny fa hataonay maty tokoa!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny vahoaka tamin’i Samoela: Iza moa no niteny hoe: I Saoly va no hanjaka aminay? Atolory anay ireny olona ireny hovonoinay ho faty.
malagasy
Ary hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty.