1 Samuel 11:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa nankany Gilgala ny vahoaka manontolo, ary tany Gilgala no nananganany an’i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan’NY TOMPO; tany koa no nanolorany fanati-pihavanana teo anatrehan’NY TOMPO, dia nifaly indrindra teo i Saoly mbamin’ny lehilahin’ny Israely rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankany Galgalà ny vahoaka rehetra ka nanangana an’i Saola ho mpanjaka, teo anatrehan’i Iaveh, tany Galgalà, ary teo no nanateran’izy ireo sorom-pisaorana teo anatrehan’i Iaveh; ary teo i Saola sy ny lehilahy rehetra amin’i Israely dia nanao firobirobiana fatratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa nankany Gilgàla ny vahoaka rehetra. Ary tany, tao amin’ny Toeramasina, no nanambarana ampahibemaso indray teo anatrehan’ny TOMPO, ny maha mpanjaka an’i Saoly; tany koa no nanaovany sorom-pihavanana amin’ny TOMPO. Ary dia nifaly aoka izany i Saoly sy ny mponina rehetra tao Israely.
Malagasy Bible 1865
Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa nankany Gilgala ny vahoaka manontolo, ary tany Gilgala no nananganany an’i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan’NY TOMPO; tany koa no nanolorany fanati-pihavanana teo anatrehan’NY TOMPO, dia nifaly indrindra teo i Saoly mbamin’ny lehilahin’ny Israely rehetra.
malagasy