1 Samuel 11:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Nahasy amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: Hopotsirina ny masonareo havanana rehetra ka hataoko fandatsana ny Israely rehetra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no navalin’i Naasy Amônita azy ireo: «Hifampiraharaha aminareo aho, raha manaiky ianareo ny hamotsirako tsirairay ny masonareo rehetra ankavanana, mba hanalako baraka an’i Israely rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny navalin’i Nahasy azy: –Sitrako ny hanao fanekena aminareo raha toa ka hopotseriko avokoa ny masonareo ankavanana; fa ny hahafa-baràka an’i Israely manontolo mihitsy no tadiaviko.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Nahasy amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: Hopotsirina ny masonareo havanana rehetra ka hataoko fandatsana ny Israely rehetra izany.
malagasy
Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.