1 Samuel 11:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hoy ny loholon’i Jabesy taminy: Omeo hafitoana izahay mba hanirahanay olona ho any amin’ny tanin’ny Israely rehetra, koa raha toa tsy misy olona hamonjy anay dia handeha hanatona anao izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny loholon’i Jabesy taminy: «Mba omeo andro hafitoana àry izahay handefasanay iraka ho any amin’ny faritanin’i Israely rehetra; ka raha tany tsy misy olona hamonjy anay, dia hitolo-tena aminao izahay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa ireo loholon ’i Jabesy taminy: –Omeo fito andro izahay hahafahanay mandefa iraka manerana ny faritanin’i Israely; fa raha tsy misy mamonjy anay, dia hitolo-batana aminao izahay.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny loholon'i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hoy ny loholon’i Jabesy taminy: Omeo hafitoana izahay mba hanirahanay olona ho any amin’ny tanin’ny Israely rehetra, koa raha toa tsy misy olona hamonjy anay dia handeha hanatona anao izahay.
malagasy