1 Samuel 11:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, tonga avy tany an-tsaha i Saoly, sady nandroaka omby no niteny hoe: Inona izato manjo ny olona no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin’ny mponina tao Jabesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary indro fa tonga avy any an-tsaha, nandroaka ny ombiny i Saola tamin’izay, ka hoy i Saola hoe: «Maninona ity vahoaka no mitomany?» Dia nambaran’ny olona azy ny voalazan’ny olona avy any Jabesy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay indrindra no tonga avy any an-tsaha niroaka ny ombiny i Saoly, ka nanontany izay anton-javatra nampitomany ny olona. Dia nitaterana izay voalazan’ny iraka avy any Jabesy izy.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin'ny mponina tao Jabesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, tonga avy tany an-tsaha i Saoly, sady nandroaka omby no niteny hoe: Inona izato manjo ny olona no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin’ny mponina tao Jabesy.
malagasy
Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin'ny mponina tao Jabesy.