1 Samuel 11:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naka omby roa izy ka norasainy ireo ary nampitondrainy ny iraka ho any amin’ny faritry ny tanin’ny Israely rehetra ka hoy izy: Na iza na iza no tsy mandeha hanaraka an’i Saoly sy i Samoela dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana NY TOMPO ka nandeha toy ny olona iray izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naka omby roa izy, norasarasainy ho madinika, dia nampitondrainy iraka ho any amin’ny faritanin’i Israely rehetra nataony hoe: «Na zovy na zovy tsy handeha manaraka an’i Saola sy i Samoela dia hatao tahaka ireny ny ombiny.» Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny vahoaka, ka indray niainga toy ny olona iray ihany izy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naka omby roa izy, ka notetitetehiny madinika izany, ary nasainy nentin’ireo iraka manerana ny faritan’i Israely, miaraka amin’izao fampitandremana hoe: –Ho toy izao anie ny hanjo ny ombin’izay tsy manaraka an’i Saoly sy i Samoela hiady! Azon-korohoro ny amin’izay mety hataon’ny TOMPO ireo Israelita ka niainga hiady toy ny olona iray ihany.
Malagasy Bible 1865
Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an'i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naka omby roa izy ka norasainy ireo ary nampitondrainy ny iraka ho any amin’ny faritry ny tanin’ny Israely rehetra ka hoy izy: Na iza na iza no tsy mandeha hanaraka an’i Saoly sy i Samoela dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana NY TOMPO ka nandeha toy ny olona iray izy.
malagasy