1 Samuel 11:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Saoly tamin’ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin’ny mponina ao Jabesy-Gileada: Rahampitso, rehefa mafampana iny ny andro dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin’ny mponina tao Jabesy, dia faly ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy tamin’iretsy iraka tonga: «Lazao amin’ny olona any Jabesy any Galaada fa rahampitso ilay efa mahery iny ny andro dia hahazo famonjena ianareo.» Nambaran’ny iraka tamin’ny olona tany Jabesy izany, ka feno hafaliana izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo iraka avy any Jabesy Gilehàda kosa dia nasaina nilaza tamin’ny mponina any aminy hoe: «Rahampitso rehefa antoandrobenanahary iny, dia ho voavonjy ianareo» Dia lasa ny iraka nanambara izany vaovao izany tamin’ny mponin’i Jabesy, izay faly aoka izany
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin'ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin'ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Saoly tamin’ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin’ny mponina ao Jabesy-Gileada: Rahampitso, rehefa mafampana iny ny andro dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin’ny mponina tao Jabesy, dia faly ireo.
malagasy