1 Samuel 12:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy hoe: Efa nanota izahay satria efa nahafoy NY TOMPO ka nanompo ireo Baala sy ireo Astarta, nefa ankehitriny, vonjeo amin’ny tanan’ny fahavalonay izahay dia hanompo Anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitaraina tamin’i Iaveh izy ireo nanao hoe: Nanota izahay, fa nandao an’i Iaveh sy nanompo ny Baala sy ny Astarte! Fa izao dia afaho amin’ny tanan’ny fahavalonay izahay ary hanompo Anao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitaraina tamin’ny TOMPO indray ireo razanareo ka nanao hoe: «TOMPO ô, efa nanota izahay satria nahafoy Anao ary nanompo ireo sampy, dia ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastôreta. Nefa ankehitriny, vonjeo amin’ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.»
Malagasy Bible 1865
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an'i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy hoe: Efa nanota izahay satria efa nahafoy NY TOMPO ka nanompo ireo Baala* sy ireo Astarta*, nefa ankehitriny, vonjeo amin’ny tanan’ny fahavalonay izahay dia hanompo Anao.
malagasy
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an'i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.