1 Samuel 12:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO naniraka an’i Jerobaala sy i Bedana sy i Jefta ary i Samoela ka namonjy anareo tamin’ny tanan’ny fahavalonareo manodidina Izy dia nandry fehizay ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nirahin’i Iaveh i Jerobaala, i Badana, i Jefte, ary i Samoela, ka nanafaka anareo tamin’ny fahavalonareo rehetra manodidina anareo izy, dia nandry feizay, teo amin’ny fonenanareo ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny TOMPO naniraka an’i Gidehôna sy i Bedàna sy i Jeftà, ary farany ny tenako i Samoela, mba hamonjy anareo amin’ny fahavalo nanodidina anareo; koa dia nonina tsy nanana ahiahy teto amin’ny tany ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah efa naniraka an'i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO naniraka an’i Jerobaala sy i Bedana sy i Jefta ary i Samoela ka namonjy anareo tamin’ny tanan’ny fahavalonareo manodidina Izy dia nandry fehizay ianareo.
malagasy
Ary Jehovah efa naniraka an'i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.[Na: (Baraka)]