1 Samuel 12:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Enga anie ka hatahotra NY TOMPO sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ianareo ka tsy handa ny didiny fa samy hanaraka NY TOMPO Andriamanitrareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha matahotra an’i Iaveh ianareo, raha manompo Azy, sy mankatò ny teniny, raha tsy mandika ny tenin’i Iaveh ary raha samy manaraka an’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka manjaka aminareo...
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha manaja sy manompo ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, raha mankatò ny teniny sy mitandrina ny didiny, dia mbola hanaraka AZY ianareo sy ny mpanjaka izay hifehy anareo.
Malagasy Bible 1865
Enga anie ka hatahotra an'i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Enga anie ka hatahotra NY TOMPO sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ianareo ka tsy handa ny didiny fa samy hanaraka NY TOMPO Andriamanitrareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.
malagasy
Enga anie ka hatahotra an'i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.