1 Samuel 12:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy taom-pijinjana varimbazaha va izao? Hiantso NY TOMPO aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason’NY TOMPO, satria nangataka mpanjaka ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy izao va no fijinjana ny varimbazaha? Hiantso an’i Iaveh aho, ary hahatonga kotrokorana sy ranonorana Izy, ary ho fantatrareo amin’izany fa lehibe loatra eo imason’i Iaveh ny ratsy nataonareo tamin’ny nangatahanareo mpanjaka ho anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy izao ve no fotoam-pijinjam-barim-bazaha? Hivavaka amin’ny TOMPO aho, dia hampikotroka ny andro sy hampilatsaka ny orana Izy; koa dia ho tsapanareo ny halehiben’ny ratsy vitanareo tamin’ny TOMPO raha nangataka mpanjaka ianareo.
Malagasy Bible 1865
Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an'i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason'i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tsy taom-pijinjana varimbazaha va izao? Hiantso NY TOMPO aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason’NY TOMPO, satria nangataka mpanjaka ianareo.
malagasy