1 Samuel 12:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niantso NY TOMPO i Samoela, ary NY TOMPO nahatonga kotrokorana sy orana tamin’io andro io ihany; ary natahotra indrindra NY TOMPO sy i Samoela ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niantso an’i Iaveh i Samoela, ary nampiavy kotrokorana sy ranonorana i Iaveh androtr’izay ihany ka natahotra mafy an’i Iaveh sy an’i Samoela ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Samoela nivavaka tamin’ny TOMPO, izay nampikotroka ny andro ary nampilatsaka ny orana androtriny ihany; ka nohajain’ny vahoaka rehetra tokoa ny Tompo sy i Samoela.
Malagasy Bible 1865
Ary Samoela niantso an'i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin'izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an'i Jehovah sy Samoela indrindra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niantso NY TOMPO i Samoela, ary NY TOMPO nahatonga kotrokorana sy orana tamin’io andro io ihany; ary natahotra indrindra NY TOMPO sy i Samoela ny vahoaka rehetra.
malagasy
Ary Samoela niantso an'i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin'izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an'i Jehovah sy Samoela indrindra.