1 Samuel 12:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin’i Samoela: Mifonà amin’NY TOMPO Andriamanitrao ho an’ny mpanomponao mba tsy ho faty izahay! Fa efa nanao izao ratsy izao izahay ho fanampin’ny fahotanay rehetra, noho ny nangatahanay mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny vahoaka rehetra tamin’i Samoela: «Mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitrao ho an’ny mpanomponao, mba tsy ho faty izahay, fa nanampy ny fahotanay rehetra ny hadisoanay nangataka mpanjaka ho anay!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny besinimaro tamin’i Samoela: –Ivavaho amin’ny TOMPO Andriamanitrao izahay mba tsy ho faty, fa fahotana maro no efa vitanay ankoatra ny fangatahanay mpanjaka ho anay.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin'i Samoela: Mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrao ho an'ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin'ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin’i Samoela: Mifonà amin’NY TOMPO Andriamanitrao ho an’ny mpanomponao mba tsy ho faty izahay! Fa efa nanao izao ratsy izao izahay ho fanampin’ny fahotanay rehetra, noho ny nangatahanay mpanjaka.
malagasy