1 Samuel 12:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, indro, ny mpanjaka no handeha eo anatrehanareo; fa efa antitra sy fotsy volo aho; ary indreo, eo aminareo ny zanako; efa nandeha teo anatrehanareo aho hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka handeha alohanareo. Izaho ity efa antitra sy fotsy volo, ary ny zanako indreo eo aminareo. Hatra ny fony mbola tanora aho no nandeha teo alohanareo ka mandrak’ankehitriny;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ankehitriny dia ny mpanjaka no hitarika anareo fa efa antitra sy osa aho, ary indreo ny zanako fa efa lehibe toa anareo. Nitondra anareo efa hatramin’ny fahatanorako aho ka mandraka androany.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, indro, ny mpanjaka no handeha eo anatrehanareo; fa efa antitra sy fotsy volo aho; ary indreo, eo aminareo ny zanako; efa nandeha teo anatrehanareo aho hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
malagasy