1 Samuel 12:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’NY TOMPO sy ny olom-boahosony: Ombin’iza moa no nalaiko? Borikin’iza no nalaiko? An’iza no nanaovako an-keriny? Iza no nampahoriko? Teo an-tanan’iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? Fa honerako aminareo izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary inty aho, ataovy tenin’ny vavolombelona ny amiko eto anatrehan’i Iaveh sy ny voahosony: ombin’iza no mba nalaiko ary ampondran’iza no mba nalaiko? Zovy no mba nanaovako tsy an-drariny, ary iza no nampahoriko? Zovy no nandraisako kolikoly, mba hodiako tsy mahita azy? Fa honerako aminareo izany».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Inty ny tenako, omeo tsiny eto anatrehan’ny TOMPO sy ny mpanjaka voahosony, raha toa ka nisy ombin’olona na borikiny nangalariko, na koa nisy olona nambakaiko sy nampahoriko, na nisy olona nandraisako tsolotra ho tapi-maso aminy; fa vonona ny hanonitra izany aho.
Malagasy Bible 1865
Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan'i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin'iza moa no nalaiko? na borikin'iza no nalaiko? na an'iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan'iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’NY TOMPO sy ny olom-boahosony: Ombin’iza moa no nalaiko? Borikin’iza no nalaiko? An’iza no nanaovako an-keriny? Iza no nampahoriko? Teo an-tanan’iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? Fa honerako aminareo izany.
malagasy