1 Samuel 13:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hoy aho: Hidina amin’izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala nefa tsy mbola nanao fifonana tamin’NY TOMPO aho, dia nahatsiaro voatery nanolotra ny fanatitra dorana manontolo aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia niteny anankampo aho: Hidina hamely ahy atỳ Galgalà ity ny Filistinina, nefa aho mbola tsy nanao fifonana tamin’i Iaveh akory. Koa na dia tsy tiako velively aza, dia voatery nanatitra ny sorona dorana aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia noheveriko fa ankehitriny dia ho avy hanafika ahy atỳ Gilgàla ny Filistinina; nefa izaho ity tsy mbola nahazo ny fanambinan’ny TOMPO, koa dia ny tenako mihitsy no nandray andraikitra nanatitra ny sorona dorana manontolo.
Malagasy Bible 1865
dia hoy izaho: Hidina amin'izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala, nefa tsy mbola nanao fifonana tamin'i Jehovah aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra dorana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hoy aho: Hidina amin’izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala nefa tsy mbola nanao fifonana tamin’NY TOMPO aho, dia nahatsiaro voatery nanolotra ny fanatitra dorana manontolo aho.
malagasy
dia hoy izaho: Hidina amin'izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala, nefa tsy mbola nanao fifonana tamin'i Jehovah aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra dorana.