1 Samuel 13:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; NY TOMPO efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izy no voatendrin’NY TOMPO ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian’NY TOMPO anao ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ankehitriny tsy haharitra ny fanjakanao. Fa efa nitady lehilahy araka ny fony i Iaveh, ary i Iaveh efa nanendry azy ho mpanjakan’ny olony; satria ianao tsy nitandrina izay nandidian’i Iaveh anao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny kosa dia tsy haharitra ny fanjakanao. Ny TOMPO efa nifidy olona izay tiany ary nanendry azy ho filohan’ny vahoakany, satria ianao tsy nitandrina ny didiny.
Malagasy Bible 1865
Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin'i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah anao ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; NY TOMPO efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izy no voatendrin’NY TOMPO ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian’NY TOMPO anao ianao.
malagasy