1 Samuel 13:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana i Samoela ka niakatra avy tany Gilgala hankany Gibean’i Benjamina. Ary nandamina ny olona izay teo aminy i Saoly, tokony ho eninjato lahy izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niainga i Samoela niakatra avy any Galgalà ho any Gabaàn’i Benjamina. Ary i Saola nampanao matso ny olona teo aminy; sahabo ho enin-jato lahy ny isany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandao an’i Gilgàla i Samoela ka nanohy ny diany. Ny miaramila sisa kosa nanaraka an’i Saoly, rehefa niala tao Gilgàla ity mpanjaka mba hanatona ireo miaramilany hafa tany Gibehàn’i Benjamîna. Noisain’i Saoly ny miaramila mbola tafaraka taminy, ka nisy lehilahy tokony ho eninjato eo ho eo.
Malagasy Bible 1865
Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana i Samoela ka niakatra avy tany Gilgala hankany Gibean’i Benjamina. Ary nandamina ny olona izay teo aminy i Saoly, tokony ho eninjato lahy izy ireo.
malagasy
Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny.