1 Samuel 13:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola nitoetra tany Gibean’i Benjamina i Saoly sy i Jonatana zanany ary ny vahoaka teo amin’izy roa lahy dia nitoby tany Mikmasy kosa ny Filistina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Saola sy i Jônatasy zanany mbamin’ny vahoaka momba azy, nitoby tao Gabaàn’i Benjamina, ary ny Filistinina kosa nitoby tao Makmasy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitoby tao Gibehàn’i Benjamîna i Saoly sy ny zanany ary ireo miaramila niara-dia taminy, fa ny Filistinina kosa tao Mikmasy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola nitoetra tany Gibean'ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin'izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola nitoetra tany Gibean’i Benjamina i Saoly sy i Jonatana zanany ary ny vahoaka teo amin’izy roa lahy dia nitoby tany Mikmasy kosa ny Filistina.
malagasy
[Ny nampahorian'ny Filistina ny Isiraely, sy ny nahasahian'i Jonatana namely azy] Ary raha mbola nitoetra tany Gibean'ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin'izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy.